Tsy afa-misaraka amin’ny fampiroboroboana ny indostria vaventy manodina ny vokatry ny fambolena sy ny fiompiana ny famoronana asa sy ny fifampindanjana ara-barotra. Manome lanja maharitra sy antoka ny famatsiana ny tsena ny vokatra avy any amin’ny tantsaha.
Raha ny fanadihadian’ny mpahay toekarena, maro ny sakana sy olana sedrain’ny indostria malagasy tsy afaka milahatra amin’ireo firenena miha mandroso sy vao misondrotra. Ratsy ny ankamaroan’ny fotodrafitrasa. Marefo ny rafitra mifehy ny indostria ka tsy mampazoto ireo mpampiasa vola. Fa indrindra, ny tsy fisian’ny politika ara-ketra manohana ny indostria miompana amin’ny seha-pihariana sy vokatra eto an-toerana.
Maro ny orinasa indostrialy malagasy manodim-bokatra. Mikaroka vokatra vaovao ary manao fahasahiana mihitsy mba hoentina mampandroso ny toekarena. Araka ny hevitr’ireo mpandraharaha, mila henoina ny hevitr’izy ireo ary tohanana raha tiana ny haha firenena miantehitra amin’ny fambolena ho lasa firenena indostrialy sy mandroso an’i Madagasikara.
Mila hitarina ny sehatry ny hetra
Ankehitriny, miaina anaty tsindry ara-ketra ireo orinasa indostria ara-pambolena. Hany ka, miaina anatin’ny tsy ara-dalàna ny ankamaroany. Misy ny tanjona napetraky ny fanjakana ho 18% ny tahan’ny tsindry ara-ketra amin’ny taona 2029. Nambaran’ireo orinasa efa ara-dalàna, fa ny fanitarana ny karazana sy ny mpandoa hetra no tokony hatao hanatrarana io, fa tsy ireo efa mandoa ihany no vesarana handoa. Satria hampihena ny fitomboan-karena izany raha tsy tanterahina. Tsy nitsahatra nitaky ny hihainoana ny soso-keviny ny vondrona mpandraharaha indostrialy (GEM, AIM, SIM, …) hatramin’izay. Eken’izy ireo fa misy ny dinika sy ny fihaonana samihafa, saingy tsy misy ny fepetra matotra sy miavaka noraisina, ho tombontsoan’
wireo tantsaha mpamokatra malagasy.
Njaka
Andriantefiarinesy




