Taranja anisan’ny hanatanteraka fifidianana amin’ity taona ity ny Federasionina malagasin’ny kick boxing. Namoaka ny tetiandrom-pifidianana ny teo anivon’ity taranja ity, hahafahan’ny rehetra miomana. Araka izany, ny 17 hatramin’ny 24 avrily izao ny fe-potoana hanatanterahana ny fifidianana izay hitantana ny FMKB, ho an’ny efa-taona manaraka (2026-2030). Mialoha izay, mila mahavita ny fifidianana ny eo anivon’ny seksionina tsirairay, ny 14 hatramin’ny 21 febroary izao. Mila mahavita ny fifidianana koa aorian’izay ny eo anivon’ny ligim-paritra tsirairay, ny 7 hatramin’ny 14 marsa izao. Hentitra ny Komity mpikarakara ny fifidianana ka misy ny fitsipika tsy maintsy harahina. Araka ny fitsipika mifehy ny fifidianana, ny klioba, ny seksiona ary ny ligy vao niforona taty aoriana ka tsy mbola nandray anjara tamin’ny fifaninanana Tompondaka dia tsy mbola afaka mandray anjara amin’ny fifidianana. Hatreto, tsy mbola misy anarana fantatra hirotsaka ho fidina amin’izany, na olom-baovao na ny filoha mpitantana am-perinasa.
Mi.Raz




