Hangotraka ny etsy amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka, rahampitso. Hifanandrina mantsy ny ekipa voalohany sy ny faharoa amin’ny fifaninanam-pirenena taranja rugby “XXL Top 12” dia ny Cosfa (Bebaoty) sy ny CEA Andranomanalina. Lalao ala vela ho an’ny miaramila ity. Efa mety hamaritra ny toeran’ny ekipa roa tonta koa ny vokatra ho azo eo. Adin’ny boaty sy kartie ny azy ireo.
Hanamarika ny andro fahadimy amin’ny fifaninanam-pirenena, taranja rugby «XXL Top 12” ny fihaonan’ny CEA Andranomanalina sy ny Cosfa (Bebaoty). Lalao hotanterahina rahampitso, etsy amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka. Ho toy ny famaranana kely mialoha ny fotoana ny azy roa tonta ary andrasan’ny rehetra. Hanala vela, amin’ity, ny ekipan’ny Bebaoty ary vonona tanteraka. Hanatevina azy ireo i Maxim sy Radaoro ary i Hery. Izy telo lahy ireo izay tsy teo nandritra ny fihaonan’ny roa tonta farany. Etsy ankilany, hanamafy ny fandresena efa azony Andranomanalina ary hanaporofo amin’ny rehetra fa tsy kisendrasendra akory ny fandresena azon’izy ireo. Tsiahivina fa samy tsy mbola resy mihitsy ireto ekipa roa ireto, eo amin’ity fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara ity. Sarotra ny tombana ny amin’izay hivoaka ho mpandresy amin’ity satria hidona ny samy sangany. Irin’ny rehetra mba ho mpitsara matihanina maharaka lalao no hitsara ny fihaonana. Raha tsiahivina, laharana voalohany ny CEA, manana isa 20, arahin’ny Cosfa, amin’ny isa 19. Miady lohany izany ny roa tonta, amin’ity lalao ity. Ankoatra izay, hifanandrina amin’ny STM (Savony) ny 3FB. Ny ekipan’ny minisiteran’ny Fahasalamana eo amin’ny laharana fahafolo ary aorian-dry zareo ny Savony. Ekipa samy tsy mbola nahazo fandresena izy roa ireo. Hisantatra ny fihaonana ny fifandonan’ny FTM Manjakaray (Dakar) sy ny UASC Cheminots (Besetroka). Laharana fahatelo ny FTM raha farany ry zareo Cheminots. Heverin’ny rehetra fa ho voahaja ny lojika amin’ity ka hivoaka ho mpandresy mora foana ny FTM. Lalao tokana kosa ny an’ny sokajy vehivavy, izay hifanandrinan’ny UASC Cheminots sy ny FTFA Antohomadinika.
Tompondaka




