Hotanterahina ny alahady 19 avrily ho avy izao ny Trail d’Ibity, miaraka amin’ny Alpha ciment. Hiavaka ity andiany ity, satria hankalazana ny faha-10 taona nisiany. Araka izany, omen’ny mpikarakara fanamiana ho fahatsiarovana ireo rehetra mandray anjara. Heverina hahatratra 1 500 ny mpifaninana ka hisy ireo avy any ivelany, izay efa nandefasana fanasana. Tsy miova ny tanjon’ny Trail d’Ibity dia ny fanatanjahantena manampy ny maha olona. Hanampiana ny trano mitaiza sy mikarakara ireo ankizy tratry ny tsy fahampian-tsakafo ao Ibity ny vola rehetra voaangona. Sady hihazakazaka no hitety ireo valanjaboahary voaaro amin’iny lemak’Ibity ireo mpifaninana, izay iaraha-miasa amin’ny Missouri Botanical Garden (MBG). Manomboka amin’ny alatsinainy 16 febroary ka hatramin’ny 15 marsa ny fisoratana anarana ao amin’ny Ortana Antaninanerina ho an’ireo eto Antananarivo. Ao amin’ny ORTVAK Gare Antsirabe, kosa ny an’ireo ao Vakinankaratra. Azo atao koa ny misoratra anarana amin’ny internet.
Torcelin




