Mitentina 37 tapitrisa dolara ny fanampiana omen’ny Banky iraisam-pirenena an’ireo tokatrano 40 000 traboina vokatry ny rivodoza Gezani sy Fytia. Fanampiana misy ireo karazana tolotra samihafa ho an’ny mponina izay hotsinjarain’ny Fid sy ny BNGRC. Vonona hanolo-tanana an’i Madagasikara ny Banky iraisam-pirenena amin’ny fanarenana ny toekarena taorian’ny fandalovan’ny rivodoza.
Manana tanjaka 500 KVA sy 160 KVA ireo “groupes électrogènes” miisa roa hanampiana ny famerenana ny famokarana rano fisotro madio ao Toamasina. Tetikasa hanampiana ny orinasa Jirama ao an-toerana manoloana ny fahatapahan’ny herinaratra izay mampikorontana ny famokarana sy fitsinjarana ny rano. Nihazo an’i Toamasina, omaly, avokoa ireo “groupes électrogènes” ireo.
Niampy 100 ireo mpandraharaha nahazo fahazoan-dalana hanondrana lavanila mandritra ny taom-pamokarana 2025-2026. Manana iray volana handamina sy hahatomombana ireo antontan-taratasy ilaina amin’izany kosa ireo orinasa 36 tsy nahafeno fepetra. Tsiahivina fa seha-pihariana mamelona tokantrano maro sy mampidi-bola ho an’ny firenana ny lavanila. Efa nifandinika hanatsarana ny sehatra ihany koa ny fanjakana sy ireo mpandraharaha samihafa.




