Hafatry ny FFKM amin’izao voina izao: « Atsaharo ny fanararaotana amin’ny endriny samihafa »

Namoaka fanambarana sy hafatra koa ny eo anivon’ny FFKM, taorian’ny antso nataon’ny Evekan’i Madagasikara sy ny foibe FJKM. Nampita hafatra ho an’ny rehetra izy ireo manoloana izao voina eto amin’ny firenena izao.

«Manentana ny re­hetra izahay mba hanalavitra ny fanararaotana amin’ny endriny samihafa ao anatin’izao voina izao », hoy ny hafatry ny eo anivon’ny FFKM, eo anatrehan’izao takaitra navelan’ny rivodoza indroa miantoana, Fytia sy i Gezani, izao. Ni­saotra sy nankasitraka ireo rehetra efa nandray andraikitra ireto fiangonana efa-tonta ireto amin’ny famonjena ny havana ka mifanome tanana sy mifamonjy ao anatin’ny voin-kava mahatratra, araka ny hafatry ny FFKM.
Ankoatra izany, niantso ny zanaky ny fiangonana FFKM ho an’ireo fiangonana eto an-toerana sy ireo any ivelany koa izy ireo mba hanao tolo-tanana. « Hanohanana ireo havantsika, traboina noho ireo rivodoza ireo », hoy ihany ny hafatra.
Izy Tompo mahefa ny zavatra rehetra anie hampahery, hanolotsaina sy fahendrena ary fampiononana ho anareo avy amin’ny Fanahy Masina manoloana izao vonina mavesatra izao, eo am-piatrehana ny rava, araka ny nambaran’ny FFKM.
Etsy andaniny, nampahery sy naneho fiaraha-miory amin’ireo namoy havana, rava fananana, tratry ny aretina sy ny fikorontanana samihafa vokatr’ireo rivodoza ireo koa ny fiangonana efa-tonta, araka ny hafatra hatrany.
Fanatanterahana ny fikaonandoham-pirenena
Lohahevitra nentin’izy ireo amin’izao hafatra avy amin’ny FFKM izao ny tenin’ny soratra Masina hoe « Fa tsy handao anareo ny Tompo noho ny fitandroany ny voninahiny sa­tria efa sitrany ny nanao anareo ho vahoakany », I Salamo 12, 22.
Tsiahivina fa ao anatin’ny dinika amin’ny fametrahana paikady hanatanterahana ny fikaonandoham-pirenena ny eo anivon’ny FFKM amin’izao fotoana izao. Miara-miasa amin’ny minisiteram-panjakana misahana ny Fanavaozana sy ny eo anivon’ny fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblika izy ireo.

Synèse R.

Partager sur: