Voalevina avokoa ireo namoy ny ainy tao anaty kaontenera tany Toamasina. Tsiahivina fa mpilaravinahitra avy aty an-drenivohitra izy ireo no namoy ny ainy nandritra ny fandalovan’ny rivodoza Gezani…
Nalevina avy hatrany, ny faran’ny herinandro teo, ny nofo mangatsiakan’ireo olona miisa 13 namoy ny ainy tao anatin’ny kaontenera vantany tonga tany an-tanindrazany avy. Nigadona tao Behenjy, ny zoma 13 febroary teo avokoa, ireo olona miisa 13 mianadahy mianaka, anisan’ny namoy ny ainy taorian’ny fandalovan’ny rivodoza Gezani, tao Toamasina, ny herinandro lasa teo. Noraisin’ ny fitondram-panjakana an-tanana sy ny fanampiana avy amin’ny tsara sitrapo, tonga soa aman-tsara tany an-tanindrazany avokoa, ny nofo mangatsiakan’ireo mpiasa tra-doza tampoka ireo. « Miisa 13 ireo olona ireo. Nisy olona iray mbola nalevina tany Ambositra ary iray hafa nalefa teny Ambohidratrimo saingy teo Behenjy avokoa no nangalan’ ny fianakaviany azy ireo taorian’iny tranga iny », hoy ny fanazavan’ny solombavambahoaka voafidy tao Arivonimamo, Rajerison Antoine. Resy ny fianakavian’ireo olona ireo satria hiasa sy hitady vola no nialan’izy ireo ny trano fonenany, araka ny fanazavana. Nisy mpianaka anaty tokantrano iray niara-maty. Anisan’ izany ilay mpivady sy ny zanany vao amam-bolana niaraka namoy ny ainy. Nanao tsipaipaika ny mponina teo anivon’io distrika io nentina nanampiana ireo fianakaviana sahirana sy niharam-boina ireo.
Fiantohana
«Tokony ho jerena akaiky amin’ny alalan’ireny fanampiana marobe azon’ny fitondram-panjakana ireny koa ny fianakavian’ireo olona 13 namoy ny ainy tao anaty kaontenera ireo», hoy ny fanazavana. Tsy vitan’ny very havana, miaina anaty fahasahirana tanteraka ny ankohonana navelan’ireo mpanao trano maty tany am-pitadiavana ireo. Notsindrin’io solombavambahoaka io fa tokony hisy ny fiantohana na ny “assurance” amin’ ny sehatr’asa misy ireo lasibatra ireo kanefa hiaraha-mahalala ny zava-misy eto Madagasikara. Raha tsiahivina, zakan’ny rivotra mahery nentin’ilay rivodoza Gezani tao Toamasina ny kaontenera, nisy ireo olona 22, ny alin’ny talata 10 febroary teo. Maty tamin’io fotoana io ireo olona 13 raha toa ka avotra soa aman-tsara ireo namany.
Tsiferana R.




