Nifamaly tao amin’ny toeram-pisotroana : Lehilahy voatifitra basy, karohina ilay nahavanon-doza

Niafara tamin’ny fandratrana olona roa ny fifamaliana teo amin’ny lehilahy miisa roa tao amin’ny toeram-pisotroana iray, teny Andoharanofo­tsy, ny zoma 13 febroary teo. Nandositra ilay nitifitra.
Voan’ny bala teo amin’ny so­rony havia sy teo amin’ny feny havanana ny lehilahy iray, teny Malakialina, fokontany Ma­halavolona, kaominina am­banivohitra Andoharanofo­tsy, distrikan’Antananarivo Atsi­mon­dra­no, ny alin’ny zoma 13 febroary teo. Niaraka nisotrosotro tao amin’ny toeram-pisotroana iray anatin’io fokontany io ireo olona miisa roa, araka ny fanazavan’ny nanatri-maso, tamin’ny 9 ora alina. Nitohy ny fifamaliana sy ny tsy fifankahazoana teo amin’ny roa tonta ka nivoaka tao amin’io toerana io izy ireo. Nanomboka nikisakisaka ireo manodidina noho ny tahotra satria namoaka fitaovam-piadiana ilay lehilahy iray. Nire­fotra tampoka ny basy. Voan’ ny bala teo amin’ny soroka sy ny feny io lehilahy nifamaly io. Nandositra avy hatrany izy na dia voan’ny bala aza.

Endrika mpitandro filaminana
Hitan’ny tsara sitrapo, nentina namonjy ny hopitaly HJRA Ampefiloha io niharan’ny fitifirana io. Nahazo fitsaboana ara-potoana, nesorina ny taim-bala tao amin’ny sorony. Avotra soa aman-tsara izy. Ankoatr’azy, olona iray hafa koa voalaza fa naratra vokatry ny vono nataon’ ilay lehilahy nitana fitaovam-piadiana. Ni­tsoaka ilay lehilahy nahavanon-doza, raha ny fanazavana nomen’ireo nanatri-maso. Ni­toroka ny toerana mety ahitana io olona nitifitra io ny tsara sitrapo. Tsy hita intsony ilay nahavanon-doza ary karohina amin’izao fotoana. “Manao endrika mpitandro filaminana ilay lehilahy”, hoy ny fanazavana. Tsy voamarina mazava, hatreto, raha toa ka mpitandro filaminana tokoa na olon-tsotra nihazona fitaovam-piadiana no nitifitra.

Tsiferana R.

Partager sur: