Praiminisitra Rajaonarivelo Herintsalama : “Tsy azo andeferana ny fanodinkodinana fanampiana traboina”

“Tsy andeferana ny fanodinkodinana fanampiana na fanaovana kolikoly amin’izany”, hoy ny Praiminisitra Rajaonarivelo Herintsalama, tamin’ny fihaonana tamin’ireo mpiara-miombon’antoka sy masoivoho vahiny miasa sy monina eto Madagasikara na ny solontenany teny amin’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny, Anosy, afakomaly. Manoloana ny voina mahazo an’i Madagasikara noho ny fandalovan’ny rivodoza Geza­ni ny fihaonana. Ao anatin’ny fangaraharana tanteraka ny fitantana ireo fanampiana, ary alefa avokoa any amin’ireo traboina mila izany. Fantatra fa 145 tapitrisa dolara ny tomban’ny fahavoazana vokatry ny fandalovan’ny rivodoza roa farany teo. Tsy ho zakan’ny tetibolam-panjakana izany. Mila ny fanampian’ireo mpiara-miombon’antoka. Ambara ny voim-pirenena rehefa mihoatra ny 25 000 ny traboina. Amin’izao, efa 324 000 mahery izany.
“Haingana kokoa ny famaliana ny fahamehana”, hoy ny Praiminisitra. Mbola misy maro ireo solontenan’ny mpiara-miombon’antoka no tsy maintsy manontany ny firenena misy azy. Vonjimaika ny tombana, fa maro ireo toerana tsy tratra hahazoana manao izany. Na izany aza, tsy ionona ny fanampian’ny hafa, fa efa maro ny fiaraha-mientana eto an-toerana. Tsy miandry… Izay no nisaorany manokana ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, tsy tonga ny rivodoza dia efa tany an-toerana fa tsy niandriandry. Ankoatra izany, nohafarany ny vahoaka ny amin’ny fanorenana trano eo ambonina lakandrano, fanariana fako any anaty lakandrano… Aoka ho tonga saina, ary aoka izay ny gaboraraka. Tokony hajanona ny fanotorana tany tsy ara-dalàna. Izay no mahatonga ny tondradrano. Ny rivodoza mandalo, fa ny rano tondraka mijanona elabe.

R. Nd.

Partager sur: