Miaina tanteraka anaty fahasahiranana ny mponina ao Toamasina. Mavesatra ny takaitra navelan’ny rivodoza Gezani, ny 10 febroary teo, ary tena mafy ny fanarenana ireo fotodrafitrasa simba. Manodidina ny 95% ny tokantrano potika tanteraka. Tsapan’ny mponina fa anisan’ny rivodoza tena nahery vaika iny rivodoza iny. Tena maha maika ny mponina amin’izao fotoana dia ny fitadiavana tafo fanitso, fantsika ary hazo, hanarenana ny trano fonenana. Nidangana tampoka avokoa ny vidin’ireo kojakoja fanaovan-trano. Tafakatra avo telo heny, lasa 30 000 Ar ny tafo fanitso manify, mirefy 2,50 m, raha 10 000 Ar hatramin’izay. Lasa 70 000 Ar ny vidin’ny tsivalan-kazo (bois carré) mirefy 4 m, raha 20 000 Ar teo aloha.
Izany hoe, ireo kojakoja fanamboarana trano ireo no tena laharam-pahamehana sady maika ho an’ny mponina, vao manaraka ny sakafo, toy ny vary. Ahitana ny karazan-tsakafo sy ny legioma eto Toamasina, saingy niaka-bidy ihany koa. Ny lalàn’ny tolotra sy ny tinady no mahatonga ireo rehetra ireo, satria tsy ampy ny famatsiana, na koa mihena ny tahiry, nefa mitombo ny filàna. Azo inoana fa fantatry ny fitondram-panjakana io olana mianjady amin’ny mponina io, ka hisy ny vahaolana haingana.
Sajo




