TSELATRA

Olona efatra (lehilahy telo sy vehivavy iray) naiditra vonjimaika am-ponja, ny 09 febroary 2026, noho ny fivarotana sy fidorohana zava-mahadomelina mahery vaika “héroïne”. Voasambotry ny polisy tetsy Ambo­hidratrimo sy Antohomadinika IVO, ny herinandro lasa teo. Nahitana fonosana miisa 80, milanja roa grama tany amin’izy ireo, rehefa nosavaina. Mbola nahitana fitsindrona miisa 24 sy tavoahangikely fitahirizana vovoka miisa telo ihany koa.
Lehilahy roa voasambotry ny Polisin’ny UIR miasa ao amin’ny Kaomisaria foibe Avaradrano, teny Imamba, ny alin’ny 15 febroary 2026. Malaza amin’ny asa fanendahana miharo fampiasana antsy sy zava-maranitra izy ireo. Nahazo fitarainana tamin’ny mponina ny polisy ka nidina nanao ny fanaraha-maso. Nentina sy miatrika fanadihadiana eny anivon’ny Kaomisaria foibe Avaradrano izy roa lahy ireo.
Vehivavy iray 55 taona tra-tehaky ny polisy ny alahady teo, tokony ho tamin’ny 11 ora sy sasany atoandro, tetsy Ambohipo. Nahatsikaritra fihetsika mampiahiahy ireo mpitandro filaminana nanao fisafoana sy fanamafisana ny filaminana teny an-toerana. Tratra nangarom-paosy izy ka noraisim-potsiny. Efa miatrika fanadihadiana eny amin’ny biraon’ny polisy ny tenany.
Olona roa naiditra vonjimaika any amin’ny fonjan’Antsirabe, ny sabotsy teo. Anisan’ny nandoro velona ireo telo lahy voarohirohy tamin’ny famonoana vehivavy bevohoka iray tany Tsarahonenana Sahanivotry, disitrikan’Antsirabe II, ny 3 febroary 2026 teo, izy ireo. Vehivavy miisa telo kosa no efa naiditra am-ponja, voarohihory tamin’ny famonoana ilay vehivavy voalaza fa bevohoka.

Partager sur: