Tsy nisy famatarana, nitondra vy amin’ny andro alina ny sarety iray ka niteraka lozam-pifamoivoizana, teny amin’ny lalam-pirenena voalohany, PK8 +500, fokontany Ambodiafontsy, kaominina Ampitatafika, distrikan’Atsimondrano, ny alatsinainy 16 febroary teo. “Mitondra vy lava sady marani-joro ilay sarety. Tsy nisy marika na loko marevaka mazava alina sy hita maso tamin’ny sarety”, hoy ny fanazavan’ny zandarimaria eo anivon’ny zana-tobim-paritra Ampitatafika. Nitovy ny lalan’io sarety io sy ilay mpitondra moto, saingy efa maizina satria tamin’ny 7 ora sy fahefany alina. Nandeha mafy ilay vehivavy nitondra io kodiaran-droa io ka mety tsy nahita ny sakana raha tsy efa akaiky, araka ny fanazavana. Poa toy izay, nidona tamin’ilay vy nentin’io sarety io ilay ramatoa sy ny moto nentiny. Tafatrobaky ny vy teo amin’ny ranjon’io mpitondra moto io. Naratra mafy, nentina avy hatrany namonjy ny hopitaly izy. Samy tompon’andraikitra tamin’ny tsy fitandremanana ka antony nahatonga io loza io ilay mpitondra moto sy mpitarika sarety, hoy ny zandary. Ilaina hatrany ny fanajana ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana. Mila mailo hatrany ny tsirairay mampiasa arabe.
Tsiferana R.




