Mandray anjara amin’ny fampandrosoana ny toekarena ny fandraharahana sy ny fampivelarana ny fifanakalozana ara-barotra eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena.
Hotanterahina eny amin’ny Novotel Alarobia, ny 17 sy 18 avrily, ny «Salon de la créativité Voatra», andiany faha-12. Hetsika karakarain’ny Antenimieran’ny Varotra sy ny indostria eto Antananarivo (CCIA) ho fanandratana ny vokatra sy ny fahaiza-manaon’ny Malagasy. Vahiny manokana mandritra ity andiany ity i Maraoka. Izy izay firenena maodely ara-toekarena mifanaraka amin’ny filan’i Madagasikara sy soa fanararaotra amin’ny fampivelarana ny fifanakalozana ara-barotra. «Firenena matanjaka sy manana stratejia mazava tsara azo velarina ao anatin’ny Zlecaf i Maraoka», hoy ny filohan’ny CCIA, Razafintsalama Gil, omaly. Notsindriny manokana fa tombontsoa ho an’i Madagasikara ny fiaraha-miasa amin’ny firenena maraokanina noho izy manana traikefa amina sehatra maro samihafa. Tanjona, araka izany, ny hanamafisana ny fiarahan’ny firenena roa tonta, hananganana fiaraha-miasa ara-barotra misokatra eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, hampifandray ireo mpandraharaha ara-toekarena.
Fandraharahana
Vina iraisan’ny roa tonta ny hampahafantatra ny vokatra malagasy, indrindra ny lamba sy ny lohamenaka izay sehatra stratejika hanamafisana ny fifaninana eo amin’ny tsena sy ny famokarana. Noho izany, hifanakalo traikefa sy fahaiza-manao ireo mpandraharaha mandritra ny roa andro hanaovana ny hetsika. «Tanjona ny hampakarana ny sandan’ny fifanakalozana ara-barotra izay 18 tapitrisa dolara monja ny taona 2023», hoy ny masoivohon’i Maraoka eto Madagasikara, i Mohammed Benjilany. Lohahevitry ny hetsika amin’ity taona ity ny «Voatra» hitrandrahana ny tsena iraisam-pirenena ho an’ny vokatra malagasy.
Henintsoa




