Nivoaka afakomaly ny filaharana vonjimaika, fifaninanana nasionaly, taranja Rugby, «XXL Top 12». Mihazona ny laharana voalohany, taorian’ny andro fahadimy, ny Cosfa. Eo amin’ny faharoa kosa ny FTM Manjakaray ary any amin’ny laharana fahatelo ny CEA Andranomanalina.
Hotontosaina, anio, eny amin’ny Kianjan’ny CFFA Iavoloha, ny lalao hihaonan’ny FC Rouge sy ny Clinique Zanatany. Marihina fa lalao tara tamin’ny andro voalohan’ny “Pureplay Football League (PFL)” ity hatao anio ity. Araka ny vaovao voaray omaly, hanomboka amin’ny 12 ora atoandro ny lalao.
Hotanterahina ny 7 hatramin’ny 11 avrily izao, ao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny fiofanana iraisam-pirenena “Cours international FIVB niveau 2”, taranja volley-ball. Malagasy manampahaizana iraisam-pirenena, Razafinjatovo Jean Honoré, no hanome fahalalana sy hizara traikefa amin’ity ary efa misokatra ny fisoratana anarana.




