Nahitana trangana fahapoizinana ara-tsakafo indray teny amin’ny fokontany Iavoambony, kaominina ambanivohitra Ambohimanga Rova, distrikan’Antananarivo Avaradrano, nanomboka ny sabotsy lasa teo. Am-polony ireo narary vokatr’izany, ny alahady lasa teo. Tafakatra 26 ireo olona marary sy manaraka fitsaboana any amin’ny hopitaly Anosy Avaratra, hatramin’ny talata lasa teo, raha ny tatitra voaray avy amin’ny zandarimariam-pirenena ao amin’ny tobim-paritra Ambohimanga Rova. Nihinana sakafo masaka (composé) tao amin’ny hotely fivarotana hani-masaka iray any an-toerana izy ireo, ny sabotsy lasa teo ka narary taorian’izay. Nanomboka narary kibo, nitombo ny hafanana, mandoa sy mivalana ny fisehon’ny aretina. Niisa enina ireo narary tsy maintsy naiditra hopitaly ny alahady 15 febroary lasa teo. Nahitana zaza latsaky ny herintaona, eo anelanelan’ny iray hatramin’ny efa-taona ary zatovo mihoatra ny 15 taona. Efa nisy olona 18 isa nalefa nody fa tsy misy ahina ny fahasalamany. Valo sisa no mbola manaraka fitsaboana hatramin’izao, raha ny nambaran’ny Médecin Inspecteur eo anivon’ny hopitaly Anosy Avaratra. Nanambara koa ny tompon’ny tsena fa maro ny olona misakafo ao aminy ary anisan’izany izy mianakavy tao an-trano fa tsy nisy narary hatramin’izao.
Naharay vaovao mahakasika ny tranga, afakomaly tamin’ny 10 ora sy 30 minitra. Tonga nidina teny ifotony ny zandary niaraka tamin’ny mpitsabo taorian’izay. Teny an-toerana ihany koa ny solontenan’ny kaominina Ambohimanga Rova, ny sefo fokontany. Marihina fa efa nisy ny fakana sy fanaovana fitiliana ireo singa tamin’ny sakafo mety nahatonga ny fahapoizinana. Nakatona ihany koa ilay tsena mandra-pizaha ny antony nahatonga izany.
Mino




