Depiote Milavonjy Philobert : « Lasibatra sy tsy afa-bela izahay Irmar »

Naneho ny heviny, manoloana ny raharaham-pirenena ny filoha lefitra fahafito sady lehiben’ny mpanohitra eo anivon’ny Antenimiera, ny depiote Milavonjy Philobert. «Na hahafaly na tsia, hita mihitsy izao fa tena very hasina ity Andrimpanjakana ity. Lasa manao ny tiany hatao ny minisitry ny Fitsarana ka maha­tonga izao fisamborana sy fisavana anay izao», hoy izy. Notsiahiviny fa tao ambadiky ny fanesorana ny zo tsy azo enjehina ny depiote, Andria­mananoro Augustin, ny minisitry ny Fitsarana. Notsiahiviny, tamin’izany, ny voalazan’ny lalàna fa tsy maintsy voamarina ny fangatahana fanesorana izany rehefa tratra am­bodiomby amin’ny tsy mety nataony ny depiote. «Fanohin­tohinana ny filaminam-bahoaka sy fanakorontanana anefa no antony anesorana ny zo tsy azo enjehina ny de­pioten’Antananarivo I. Tsy misy porofo mazava…», hoy izy. Notsindriny fa ny tenany irery no nitsipaka ny fanesorana izany zon’ity depiote ity izany amin’ireo mpikamban’ny birao maharitra niara-nivory tamin’ny alalan’ny ampitain-davitra. Niaiky ny tenany fa tratry ny be noho vitsy satria faranana amin’ny tsangan-tanana ny fanapahan-kevitra amin’ny tranga tahaka ireny.
Etsy andaniny, nitodika amin’ny FFKM ny depiote Milavonjy Philobert. Nohitsiny fa mitongilana sy mitanila ny fiangonana, manoloana izao toe-draharaha izao. «Mangina izy ireo nefa tokony ho arofanina farany izany FFKM iza­ny», hoy izy. Nanteriny fa tokony ho lanjalanjaina ny zava-misy fa lasa mampatahotra sy ahina ho any amin’ny herisetra sy famoretana izao ataon’ny minisitry ny Fitsarana izao, araka ny nambarany.
Tsiahivina fa maromaro ireo depiote Irmar nesorina ny zo tsy azo anenjehana azy ireo ka nahafahan’ny mpitandro filaminana nanao ny asany. Tao ireo nosamborina fa eo koa ireo nosavaina…

Synèse R.

Partager sur: