Lasibatry ny rivodoza farany teo ireo fotodrafitrasam-pifandraisan’ny Yas Madagascar ao amin’ny faritra Atsinanana, potika hatrany amin’ny 98%. Voakasik’izany ny ao Toamasina, Brickaville ary Foulpointe, ka niteraka fikorontanana tamin’ireo tolotra « fibre » sy ny antso.
Manara-maso akaiky ny zava-misy, noho izany, ny orinasa ka nitondra vahaolana vonjimaika hiantohana ny fitohizan’ny fifandraisana ary mitarika tariby mpamatsy fifandraisana any amin’ireo fotodrafitrasa hafa tsy voakasika. Ankehitriny, miroso tsikelikely amin’ny famerenana ny famatsiana ny tolotra ny ekipa teknikan’i Yas any an-toerana, vonona hanao ny ezaka rehetra koa hamerenana ny tolotra ao anatin’ny fotoana fohy.
Ankoatra izay, nanolotra fanampiana toy ny vary sy tafo ny vondrona Axian ho an’ireo rava fananana ao Toamasina izay naterina teny amin’ny BNGRC. Ity farany no hiandraikitra tanteraka ny fitsinjarana izany.
Henintsoa




