FANTINA sy FINTINA

Efapolo taona katroka taty aoriana indray vao nisy filoha malagasy nitsidika amin’ny fomba ofisialy any Rosia, amin’izao dian’ny filoham-panjakana any an-toerana izao. Ny 26 marsa 1986 no nihaona ny filohan’ny Firaisana Sovietika teo aloha (Rosia), Mickaël Gorbatchev sy ny filohan’ny Repoblika Demo­kratika Malagasy, ny amiraly Ratsiraka.

Nomen’ny Sadc fe-potoana hatramin’ny faran’ ny volana izao ny fitondram-panjakana amin’ny hametrahana ny tondrozotra ho an’ny Tetezamita. Anisan’ny navoitran’ny Africa Intelligence izany. Nambaran’ity gazety ity ihany koa anefa fa manao adisisika sy fandresen-dahatra amin’ny Sadc koa ny filoha teo aloha, Rajoelina Andry.

Hahitsy ny andinin-dalàna maneritery amin’ ny fanehoan-kevitra sy manasazy ny mpanao gazety. Nivoitra izany tamin’ny fanombohana ny atrikasa tetsy Ampefiloha, omaly, niarahana amin’ny minisite-ran’ny Serasera sy ny kolontsaina. Hojerena ny lalàna manome tombony ny mpisehatra amin’ny tontolon’ny serasera.

Nampahatsiahy ny rehetra ny momba ny tontolon’ny fitsarana, Raholinarivo Paolo. Nambarany fa tsy hoe ratsy na voabaiko isan’andro ny fitsarana.
«Manentana antsika manomboka izao mba hametraka fitokisana amin’ny mpitsara», hoy izy.

Partager sur: