Fivarotan-tena ana habaka : Ankizivavy telo lasibatra, lehilahy iray voasambotra

Mampivaro-tena ana habaka zaza tsy ampy taona, lehilahy iray nosamborin’ny zandary ary vehivavy mpiray tsikombakomba aminy karohina, teny Antehiroka, ny talata 17 febroary teo.

16 taona ny roa ary 14 taona ny iray tamin’ ireo ankizivavy tratra nivaro-tena ana habaka tao amina tokantrano iray tao amin’ny fokontany Antanetibe, kaominina Antehiroka, distri­kan’Ambohidratrimo, afakomaly. Naharay fitarainana avy tamina ray aman-drenin’ny mpianatra miisa telo vavy ny tomponandraikitry ny zandarimaria. Nitaraina ny sekoly nianaran’ireo zaza ireo satria tsy tonga nianatra matetika ireo ankizivavy ireo. Tsy fantatra mazava hatrany anefa ny anton’ny tsy fahatongavana mianatra ka nampiantso ny ray aman-dreny voakasika ny sekoly. Natao fanadihadiana ireo zaza tany an-tokantrano ka nitantara ny zava-nisy. Ma­monjy ny tokantrano iray izay manakarama azy ireo hivaro-tena ana habaka ireo ankizy ireo. “Teratany vahiny ireo manjifa ka 50 000 Ar isaky ny manao ilay horonantsary”, hoy ny fanazavan’ny iray tamin’ ireo ankizivavy ireo. Noresen’ ireo mpampiasa lahatra koa ireo ankizy ireo fa mahazo 30 000 Ar raha toa ka mitondra ankizy hafa.

Voasambotra

Nidina ifotony tao amin’ny trano voatondro ho misy ireo tompon’antoka amin’io fivarotan-tena ana habaka io ny ekipan’ny zandarimaria. Tsy hita popoka ny renim-pianaka­viana iray atao hoe “maman’i Nasandratra” voalaza ho nisarika an’ireo ankizivavy ireo ka nahatonga azy ireo tafiditra tamin’io tranga io. Sarona tao anatin’ilay trano ny fitaovana nomena nampiasan’ireo an­kizy nanaovana ilay horonan­tsary mamoafady. Nosambo­rina, araka izany, ny lehilahy iray voatondro ho mpiray petsapetsa amin’ilay ramatoa karohina. Natao fizahana ara-pahasalamana teny anivon’ny toeram-pitsaboana ireo anki­zivavy miisa telo. Mitohy ny fanadihadian’ny manam-pahefana. Hatolotra ny fampanoavana tsy ho ela ny raha­raha.

Tsiferana R.

Partager sur: