Nanao fisavana hosoka: Olona dimy naiditra am-ponja

Olona miisa dimy nanao fisavana hosoka naiditra vonjimaika any am-ponja, taorian’ny fitsarana azy ireo, omaly. Nanao hosoka nandritra ny fanatanterahana ny fisavana tamina Vondron’orinasa lehibe iray teto Antananarivo Reni­vohitra ireo olona miisa dimy ireo. Tsy nitondra fahazoan-dalana ara-dalàna izy ireo ary niditra an-keriny tao amin’io orinasa voakasika io. Nalain’ireo olona nitonona ho mpi­tandro filaminana ireo, nandritra io fotoana io, ny fiara tsy mataho-dalana niampy ny fitaovana sarobidy sasantsasany tao amin’ilay toeram-piasana. “Fanodinkodinana fitaovan’ilay orinasa voakasika no niampangana azy ireo”, hoy ny loharanom-baovao. Nandray an-tanana ny fanadihadiana ny raharaha ny ekipan’ny polisim-pirenena. Niafara tamin’ny fisamborana ireo olona nanao fisavana hosoka izany. Zandary ny iray tamin’ireo voasambotra ireo, araka ny loharanom-baovao marim-pototra. Efa naverina amin’ilay orinasa voakasika ny fitaovana rehetra nalain’ireo mpanao fisavana hosoka. Niakatra fampanoavana ny raharaha ka niafara tamin’ny fihazonana vonjimaika any am-ponja.

Tsiferana R.

Partager sur: