Vondrona Star : Zana-kazo 194 000 fototra no efa voavoly

Efa an-taonany maro ny vondrona Star no nandray anjara mavitrika amin’ny fiarovana ny tontolo iainana, fa tsy mionona amin’ny famokarana zava-pisotro. Anisan’ny hanokanana tetikasa ny fambo­len-kazo. Mitana andraikitra lehibe amin’izany ny orinasa Malto, ao anatin’ny Vondrona Star, miara-miasa akaiky amin’ ireo tantsaha mpamatsy akora fototra ny orinasa ilaina amin’ ny fanodinam-bokatra. Ho an’ny taom-pambolen-kazo 2026, atao laharam-pahamehana ny famokarana zana-kazo maoderina, entiny ho vatsiana ho an’ireo tantsaha mpiara-miombon’antoka aminy, ireo mpiara-miasa ary ho an’ny mpiray miombon’antoka amin’ny sehata isan-ka­razany. Ho an’ny taona 2025, maherin’ny 194 000 ny zana-kazo voavoly, nahitana zana-kazo miisa 48 notsinjarain’ny Malto.
Natokan’ny mpiara-miasa ao amin’ny Star nanatanterahana ny andro fambolen-kazo ny tamin’ny 14 febroary 2026 teo. Maherin’ny 6 000 ny zana-kazo voavolin’ny mpiara-mi­asa maherin’ny 280, teny Andra­no­­velona. Ankoatra izany, nandray anjara tamin’ny hetsika fambolen-kazo tany amin’ny faritra hafa koa ny orinasa Star, indrindra tany Menabe sy Diana. Maherin’ny 12 000 ny zana-kazo nambolena niaraka tamin’ny mponina any amin’ny kaominina Tsiafaja­vona, efa mpiara-miombon’ antoka aminy hatry ny ela.

Njaka A.

Partager sur: