Notendren’ny Papa Léon XIV ho evekan’i Port Victoria atsy Seychelles ny mompera Rasamison Landry Philippe. Pretra relijiozy avy amin’ny Ordre des Frères mineurs capucins (OFMCap) izy ary Malagasy voalohany voatendry ho eveka any amina firenena ivelan’i Madagasikara. Tsiahivina fa nohamasinina ho pretra ny taona 2000 ny tenany.
Mavitrika amin’ny fisoratana anarana biometrika ny olom-pirenena raha ny hita teny amin’ny kaominina Ampitatafika, Atsimondrano manokana. Maherin’ny 4 000 izao ireo olona voasoratra anarana, hatreto. Izany hoe, mihoatra ny 55 olona isan’andro. Tsiahivina fa ny 24 febroary izao ny fe-potoana farany ho an’ireo kaominina 26 ao anatin’ny distrikan’Antsimondrano.
Tsy tokony hanantena fahagagana fa mila miasa, araka ny nambaran’ny filohan’ny antoko Tia tanindrazana, Razafinjoelina Tahiana. Nanteriny fa zava-dehibe ary niavaka ny fomba nandraisan’ny filoham-pirenena Rosiana, Vladmir Poutine ny filoham-panjakana Randrianirina Michaël, tany Rosia iny. « Mila miasa sy resy lahatra isika », hoy izy.
Hiatrika fanofanana momba ny fanamboaran-dalana ny miaramila. Hanomboka ny volana marsa izao izany ka iarahana amin’ny orinasa ejipsianina ny fampiofanana. Nambaran’ny lehiben’ny etamazaoron’ny tafika, ny herinandro teo, fa tafiditra amin’ny fanefan’ ireo miaramila misatroka maitso amin’ny fanompoana vahoaka izany.




