Fitrandrahana hazo : Miverina ny fanomezanan-dalana

Naato nanomboka ny taona 2019 ny fanomezana fahazoan-dalana mitrandraka hazo teto Madagasikara. Na­nomboka ny 15 febroary, miverina ny fanomezan-dalana. Nanazava ny momba izay ny Talen’ny Faritra arovana sy ny rohivoahary, Ramatoa Ratefason Tojosoa.
“Nahatsapa ny fanjakana fa nitohy ny fitrandrahana tsy ara-dalana. Tsy nampidi-bola ho an’ny fanjakana izany. Noho izany, nanapa-kevitra izahay ny hamerina ny fahaozan-dalana”, hoy izy.
Misy ny fandaminana mahakasika ity fepetra vaovao ity. Voalohany, ireo fahazoan-dalana efa nisy, izay naato ny taona 2019. Miisa 45 izy ireo no afaka mitrandraka indray. Tombanana 50 000 m3 ny hadirin’ny hazo ho trandrahin’ireo fahazoan-dalana ireo. Marihina, fa tsy azo trandrahina mihitsy ny hazo andramena, ny volombodipoina (ébè­ne), ny voamboana ary ny mpanjakaben’ny tany.

Hazo voageja
Anisan’ny hisitraka ny fahazoan-dalana ireo azo voageja. Ho amidin’ny fanjakana ny hazo nogejaina, izay hamoahan’ny Fitsarana didy. Tsy voakasika kosa ny andramena sy ny volombodipoina (ébène). Hanaovana antso tolo-bidy ny hazo voageja eny amin’ny fitantanam-paritra (DREDD). Izay mahasahy manome tolobidy ambony no hahazo azy. Tanjona ny hisitrahan’ny mpikirakira hazo, ny mpanao asa tanana eto an-toerana ny tahirin-kazo, mba tsy ho lo fotsiny.
Fahatelo, aorian’ireo sokajy roa voalohany vao hisy ny famoahana fahazoan-dalana vaovao ho fitrandrahana hazo. Tsiahivina, fa voarara tanteraka ny fitrandrahana anaty Faritra arovana.

Njaka A.

Partager sur: