Tangoron-tendrombohitra Masay : Hitondra ny traikefany ny MNP

Anisan’ireo voasokajy ho Faritra arovana vaovao ny Tangoron-tendrombohitra Masay. Midadasika tokoa ity toerana ity, manana velarana 369 000 ha, ao anatin’ny distrika Beroroha, faritra Atsimo Andrefana, sy distrika Mahabo, faritra Menabe.

Faritra tsy azo kasihina sy idirana ny tena atiala (noyau dur), ny 192 000 ha, raha faritra manodidina, 171 000 ha. Araka izany, nahafeno ny fepetra hitantana ny Tangoron-tendrombohitra Masay ny Madagascar Natio­nal Parks (MNP), efa manana traikefa nandritra ny 35 taona. Nohazavain’ny tale jeneraly ny MNP, Ramatoa Rakotoarison Ony, fa hidina any an-toerana izy ireo hifampidinika amin’ny fokonolona. Hapetraka ny Vaomieram-pitantanana sy ny drafi-panajariana. Hiara-mitantana amin’ny vondrom-piarahamonina eny ifotony ity Faritra arovana ity. Hojerena manokana ny maha olona, ny hanatsarana ny velon-tenan’ny mponina. Hampiroboroboana ny fizahantany ara-tontolo iainana, sns.

Tsy kasihina ny fasana
Nohamafisin-Ramatoa talen’ny Faritra Arovana sy ny haivoahary, Ratefason Tojo­tsara, fa tandrovina tanteraka sy hajaina ny kolontsaina ara-drazana rehetra. Tsy hisy ny fikasihana ny fasan’ny mponina, mitohy ny kijanan’ny mpi­ompy, ny fambolena, rehefa tsy ao anatin’ny faritra tena tsy azo idirana.

Njaka A.

Partager sur: