Nifarana omaly, teny amin’ny Kianja Oceanis Park Ambohidratrimo, ny fifaninanana nokarakarain’ny ligin’Analamanga, taranja basikety, nitondra ny anarana “Basket Unity Game”. Nisongadina ny ekipa avy eto an-toerana raha ny vokatra omaly. Nivoaka ho mpandresy ny ekipan’ny AS Saint Michel nanoloana ny ekipan’ny Hammers avy atsy Maorisy. Isa 74 no ho 38 no nisarahan’ny roa tonta. Teo amin’ny lalao faharoa, omaly, kosa mbola ny Malagasy, BC Blindé koa no nahazo fandresena tamin’ny isa 62 no ho 43 nanoloana ny ekipan’ny Dragons maorisiana. Nitohy tamin’ny fihaonana teo amin’ny Seksionin’ny Basikety Ambohidratrimo sy ny Diaspora quatre bornes izany fahombiazana izany ka nibata ny fandresena tamin’ny isa 64 no ho 54 izy ireo. Nohamafisin’ny mpikarakara fa fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny Malagasy sy ny ekipa avy amin’ny Nosy rahavavy no tena tanjona tamin’ity fifaninanana ity.
Mi.Raz
Vokatra omaly
AS Saint Michel 74 – 48 Hammers
BC Blindé 62 – 43 Dragons
Section Ambohidratrimo 64-54 Diaspora quatre bornes




