“Cosafa Women’s Cup” : Nofaranan’i Mozambika ny dian’i Madagasikara

Ratsy ny vokatra azon’ny Barea Ladies, omaly, tany Afrika Atsimo. Niondrika teo anatrehan’i Mozam­bika, tamin’ny isa mazava 2 no ho 0, ny ekipantsika. Mangoron-damba ny Barea amin’ity Cosafa ity.

Tapitra hatreo ny lalana ho an’ny Barea, sokajy vehivavy, amin’ny fifanintsanana ho an’ny firenena aty amin’ny faritra atsimon’i afri­ka, “Cosafa Women’s Cup”. Resin’i Mozambika ta­min’ny isa 2 no ho 0 ny ekipa nasionaly malagasy. Raha hiverenana ny fifanandrinana, teo amin’ny 25 minitra, fizaram-potoana voalohany, ihany ny Malagasy no nanindry. Porofon’izany ny baolina saika tafiditr’i Louisa, irakiraka Barea, ny minitra faha-21 saingy nidona tamin’ny tsivalamby izany.
Taitra tamin’ny torimasony amin’izay ny mozambikanina ka maro ny fanafihana totoafo nataon’izy ireo. Teo amin’ny minitra faha-32, nanao fahadisoana tao anaty faritra tsy azo ivalozana ny vodilaharantsika ka nahazo “penalty” i Mozam­bika. Tafiditr’i Amelia Banze, izany, 1 no ho 0 ny isa teny amin’ny solaitrabe, mitarika ny mozambikanina.
Tao anatin’ny fidirana fa­haroa, nampian’i Cina Manuel, lolaharan’i Mozambika, ny isa teny amin’ny solaitrabe, ny faha-68 min nilalaovana. Tsy niova tamin’io intsony ny fiafaran’ny lalao, resy 2 no ho 0 ny Barea ladies. Eo amin’ny la­harana faran’ny vondrona “C” no misy ny Malagasy taorian’iny lalao nihaonana tamin’i Mozambika iny.

Lojika ny faharesena …

Azo lazaina ho lojika ny faharesena ho an’ny ekipa nasionaly malagasy noho ny tsy fahampian’ny fifanintsanana ho an’ny vehivavy eto an-toerana. Tsiahivina fa izay hita fa mendrika nandritra ny fifaninanam-pirenena, tany amin’ny volana mey, taona 2025 no nantsoina hanatevina ny ekipam-pirenena Barea. Fandre­sena tokana sy faharesena iray izany no azon’ny Malaga­sy tamin’ity “Cosafa 2026” ity.

F.R

Partager sur: