Hiova ny tontolon’ny fiompiana. Nankatoavina ny desambra 2025 teo ny Drafitrasan’ny sehatry ny fiompiana eto Madagasikara (PDSEM). Hiroso amin’ny fanatanterahana azy amin’izay ny fitondram-panjakana, ankehitriny, izay hanome tsirim-panantenana lehibe ho an’ny tantsaha mpiompy. Marihina fa avy amin’ny fiompiana ny 5,1 % ny harinkarena faobe (PIB), amin’izao fotoana izao, ka tsy maintsy hampiakarina io taha io.
Nasongadin’ny minisitry ny Fambolena sy ny fiompiana, Rasatarimanana José Nirina, omaly, fa paikady lehibe hanovana maharitra ny fiompiana hatramin’ny taona 2030-2040 ny PDSEM. Hampitomboina ny velaran-tany firaofan’ny biby fiompy. Manodidina ny 1 500 ny toerana na vovon-drano fisotro ho an’ny biby. Ho hatsaraina ny taranaky ny biby toy ny omby, ny kisoa, ny ondry, ny osy, sns.
Mahatratra 2 000 ny ombilahy hafarana avy any ivelany, 30 000 ny ombibavy be ronono hatramin’ny taona 2030. Miisa 40 ny abatoara famonoana biby hatsangana. Ho fantatra ny 37% ny fiavian’ny ronono amidy eny an-tsena.
Eo koa ny fanatsarana ny fahasalamana amin’ny alalan’ny fanaovam-bakisiny sy ny fitsaboana amin’ny aretina. Ary indrindra ny fanatsarana ny sakafom-biby, toy ny famokarana vilona, katsaka, soja, sns.
Njaka A.




