Ho fanohanana ireo mpiantsehatra rehetra eo amin’ny tontolon’ny baolina kitra ao amin’ny faritr’i Toamasina, manomana lalao ara-pirahalahiana sy firaisankina ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF), ny alahady ho avy izao, etsy amin’ny Kianjan’ny Elgeco Plus By-pass. Fihaonana roa lehibe no handeha amin’io fotoana io. Ao anatin’izany ny fifanandrinan’ny Elgeco Plus sy ny ekipa voafantin’ny kaonferansy avaratra. Eo ihany koa ny fihaonan’ny Disciples FC sy ny mpilalao mendrika ao amin’ny kaonferansy Atsimo.
Araka ny vaovao voaray, omaly, hanomboka amin’ny 1 ora tolakandro ny lalao voalohany.
Ny mpanazatra ny ekipa nasionaly malagasy, i Corentin Martins, no hanomboka hitsoka ny kiririoka amin’ny fiantombohan’ny lalao, ary mandritra io fotoana io no hanarahan’ity frantsay teknisianina ity ireo mpilalao eto an-toerana.
Natao ho 2 000 Ariary ny vidim-pidirana mba hahafahan’ny rehetra mandray anjara amin’ity hetsika firaisankina ity. Ny vola rehetra voaangona mandritra izany dia hatokana manontolo hanohanana ireo mpiantsehatra amin’ny baolina kitra ao Toamasina, izay tratry ny fahavoazana noho ny takaitran’ny rivodoza Gezani.
Tompondaka




