Hisokatra manomboka ny volana marsa ny sidina mampitohy ny faritra Atsinanana sy ny avaratry ny Nosy, ataon’ny kaompania Madagascar Airlines. Handalo ao Toamasina, Nosy Boraha ary Sambava ny sidina izay ho ataon’ny fiaramanidina LET-410. Mahazaka mpandeha hatramin’ny 17 ny fiaramanidina. Ny mpandeha kosa, afaka mitondra entana hatramin’ny 20 kilao. Mety hijanona amina toerana hafa toa an’Antalaha ny sidina raha toa ka hisy sidina indroa isan-kerinandro kosa mankany Nosy Be sy Sambava.
Hamorona faritra ara-toekarena (ZES) aty
amin’ny ranomasimbe Indianina ny “parc industriel” kasain’ny Tsingshan Holding Group eto Madagasikara. Fotodrafitrasa manara-penitra iraisam-pirenena ny tetikasa ka hanampy amin’ny fampiroboroboana sy hanohana ny sehatry ny indostria eto Madagasikara.
Manodidina ny 400 tapitrisa Ar (75 000 euros) ny tetibidin’ireo tobim-pamantarana toetr’andro napetraka ao amn’ny faritra Itasy. Fitaovana stratejika hiatrehana ny fiovan’ny toetr’andro izay mikendry ny hanamafisana ny tolotra hampahafantarana ny momba izany.




