Adin’ny samy mpanofa trano: Tompon-trano maty voatsatok’antsy

Nampivarahontsana ny zava-nitranga tao Andranomadio, Tomasina, omaly. Nifamaly noho ny resaka fanitso ny samy mpanofa trano tamin’io fotoana io. Raha ny fantatra, niady ho samy tompon’ny tafon-trano izy ireo. Tsy nisy nanaiky fa nitohy tamin’ny fifamaliana sy fanompana ary lasa fifampikasihan-tanana izany avy eo. Raikitra ny totohondry sy fandraisana antsy teo amin’ireo mpanofa trano ireo. Niditra nampisaraka sy niezaka nandamina ny tompon-trano rehefa nahita ny zava-nitranga. Lasa nifatratra tany amin’ity farany ity indray anefa ny vono nataon’iray tamin’ireo mpanofa trano. Vokany, voatsatoky ny antsy ilay tompon-trano ka naratra mafy. Nentina haingana tany amin’ny hopitaly izy saingy tsy tana ny ainy.
Tezitra noho izany ny fokonolona ka nidaroka nanao fitsaram-bahoaka ilay tovolahy nanatsatoka antsy ny tompon-trano. Tonga haingana tany an-toerana ny polisim-pirenena nisambotra ity farany. Nisy nanatsatoka fantsika teo amin’ny lohany ilay niharan’ny fitsaram-bahoaka ka naratra mafy. Nentina nihazo ny hopitaly koa ny tenany taorian’izay. Miandraikitra ny tohin’ny raharaha ny polisy any an-toerana.

Sajo / Mino

Partager sur: