Namoizan’aina olona ny lozam-pifamoivoizana an-dalamby tao Anjiro, omaly maraina. Fihotsahan’ny tany tao ambany lalamby no niteraka ny loza.
Nihotsaka tampoka ny tany tao ambany lalamby ka nitarika fivadihan’ny lamasinina teny amin’ny kaominina Anjiro, PK 77+750, omaly maraina tamin’ny 2 ora sy sasany. Niainga avy ao Antananarivo io lamasinina io, araka ny loharanom-baovao. Niharan-doza tampoka anefa ireo olona tao anatiny ka namoy ny ainy ny roa. Mpamily vao avy nanao fanadinana tao Antananarivo ireo roa lahy ireo kanjo tra-doza rehefa hitodi-doha hihazo an’i Toamasina ny lamasinina. Nalemy ny tany tao ambanin’ny lalam-by ka nitarika ny loza. Nidaraboka ilay lamasinina ary nisy tamin’ireo mpandeha voatsindry. Nifamonjen’ny mponina manodidina ireo olona niharan-doza ireo. Niditra an-tsehatra rahateo ny tomponandraikitra eny ifotony nitondra ireo naratra nihazo ny hopitaly. Tsy tana ny ain’ny olona roa vokatry ny ratra mafy nahazo azy ireo. Olona hafa nosintomina tao ambanin’ilay lamasinina satria voatsindry.
Fanaraha-maso hentitra
Hisorohana ny loza tampoka tahaka izao, ilaina hamafisina hatrany ny fanaraha-maso atao amin’ireo lalamby, hoy ny mpitandro filaminana. Misy amin’ireo mpanao ratsy anefa mangalatra ny vy mipetraka amin’ireny lalamby ireny ary anisan’ny mampitaraina ny mpampiasa ny lalana. Taona vitsy lasa, nanao hetsika manokana niaraka tamin’ny mpitandro filaminana ny mpitondra lamasinina vitsivitsy mivondrona anatin’ny orinasa mpikarakara ny lalamby. Nisambotra ireo olona mpangalatra vy izay manamafy ny lalamby izy ireo. Nisy ny olona voasambotra niaraka tamin’ny vy nangalariny teny amin’ny lalam-pirenena faharoa. Mitohy hatrany anefa io asa ratsy io ankehitriny. Na izany aza, tokony hisy hatrany koa, ny fanaraha-maso manoloana ny fahanteran’ny fotodrafitrasa izay hivezivezen’ny lamasinina eto an-toerana.
Tsiferana R.




