Renim-pianakaviana vao teraka dimy volana nosamborin’ny ny polisim-pirenena teny Besarety, afakomaly. “Nisoloky vola mitetina 10 tapitrisa Ar tamina ramatoa iray io renim-pianakaviana io”, hoy ny fanazavana voaray teny amin’ny kaomiseran’ny polisy Alasora. Nilaza izy fa manana tetikasa ahafahana manodim-bola anatin’ny fotoana vaofaritra. Mifototra amin’ny fanaovana asa tanana vita amin’ny rafia ny tetikasa. Noreseny lahatra hatrany ireo olona fantany fa misy vola. Tafaroboka tokoa ny olon-tsotra iray izay tsy nahalala ny teti-dratsin’ity renim-pianakaviana ity. Nitombo tsikelikely ny vola azony ary tafakatra hatramin’ny 10 tapitrisa Ar. Tsy nisy hatrany anefa ny tetikasa taorian’ny volana vitsivitsy. “Nampiresahany tamin’ny alalan’ny sary nalainy teny amin’ny Art Malagasy sy teny amin’ny tambajotran-tserasera ilay ramatoa nosolokiany. Nilaza izy fa efa mandeha ny tsena”, hoy ny fanazavan’ny polisy. Tsy hita tao amin’ny trano fonenany tao Alasora matetika io mpisoloky io rehefa mitady azy ilay lasibatra. “Misitrika hatrany izy rehefa hitakiana vola”, hoy ny loharanom-baovao. Nametraka fitoriana teny anivon’ny mpitandro filaminana izy ireo taorian’izay. Nanao fanadihadiana ny polisy. Voamarina tamin’izany fotoana izany fa tsy nandoa ny hofan-trano mitetina 1 800 000 Ar koa io ramatoa voatondro ho mpisoloky io. Saran’ny hofan-trano nandritra ny telo volana io tsy naloany io, araka ny loharanom-baovao teo anivon’ny kaominina Alasora. Tsy afa-nandà intsony ilay ramatoa. Niaiky ny heloka vitany izy ary nilaza fa tetikasa tsy nisy ilay nisolokiany.
Vola tamin’ny banky
Tafiditra tamin’ny vela-pandrika nataon’ilay mpisoloky, nihindrana io lelavola 10 tapitrisa Ar io teny amin’ny banky ilay lasibatra. “Voatery hamerina tsikelikely io vola nindraminy tamin’ny banky io izy”, hoy hatrany ny fanazavan’ny loharanom-baovao eo anivon’ny polisim-pirenena. Tsy nanaiky ireo lasibatra ary nampiakatra ny raharaha. Natao famotorana, araka izany, ity ramatoa ity ary natalotra ny fampanoavana omaly. “Mody nitondra ilay zanany vao menavava izy mba hitsetra azy izahay polisy. Mihatra amin’ny olon-drehetra ny lalàna”, hoy ny polisy.
Tsiferana R.




