Fifampizarana teo amin’ny mpitsara sy ny mpitsabo no nisantarana ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, taranja karate, sokajy ankizy sy vehivavy, teny amin’ny Kianja mitafon’ Ankorondrano, omaly. Fifaninanana izay haharitra 4 andro, ka avy hatrany dia hiditra amin’ny ady, anio, hitohy hatramin’ny alahady 1 marsa. Natomboka tamin’ny fifaninanana ho an’ny ankizy ny taom-pikatrohana tamin’ity satria mahatsapa ny maha zava-dehibe ny taninketsa ny FKM, araka ny nambaran’ ny filohan’ny Federasionina Karate-do malagasy, Ratefinanahary. Misy ihany koa ny fandaharam-potoana iraisam-pirenena izay manome lanja ny vehivavy ka antony nanaovana ity fiadiana ny amboaran’i Madagasikara sokajy vehivavy ity. Tsiahivina fa efa andiany fahatelo izao ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, sokajy ankizy sy vehivavy niaraka toy izao. Raha ny fandaharam-potoana, ny fifanintsanana no hanombohana ny fifaninanana, anio ary hitohy amin’ny famaranana izany hatramin’ny alahady izao, eny amin’ny Kianja mitafon’ Ankorondrano.
Mi.Raz




