SOMBIM-BAOVAO

Hotanterahina rahampitso, eny Antanikatsaka Itaosy, ny lalao miverina eo amin’ny FC Rouge sy ny ekipan’ny Fosa Junior Boeny. Fifanandrinana izay tafi­ditra amin’ny andro fahafiton’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra « Pureplay Football League (PFL) ». Mbola manala vela amin’io fihao­nana io ny FC Rouge.

Mitohy hatramin’ny faran’ny taom-pilalaovana 2026 ny filalaovan’i M’Madi Mathias ao amin’ny klioban’ ny OC Orchidies, araka ny vaovao nampitainy. Noho ny fahaizany ary ny fampisehoany ny maha zava-behibe azy ao anatin’ny klioba no nahafa-po ity klioba ity ka nanohizana ny fifanarahana.

Notanterahina ny alarobia lasa teo, teny amin’ ny foibe 67 Ha, ny fivoriana ara-teknika amin’ny fifaninanana Élites U23, taranja basikety. Hetsika karakarain’ ny ligin’Analamanga izy ity. Fifaninanana hotontosaina ny sabotsy 7 marsa izao, araka ny fandaharam-potoana.

Hotanterahina anio, any Nyon Suisse, ny an­tsapaka hahafantarana izay ho mpifanandrina amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa, taranja baolina kitra « Ligue des Champions 2026 ». Andrasan’ny maro, amin’izany ny ekipa izay hifandona amin’ny Paris Saint Germain, frantsay. Raha ny fantatra, iray amin’ny eki­pan’ny FC Barcelone, espainola sy Chelsea, anglisy, no hifandona aminy.

Partager sur: