Manakambahiny sy Ambanidia: Lehilahy telo tratra nangalatra moto

Misesisesy ny halatra moto tato ho ato. Lehilahy miisa telo tratra nanao izany tao amin’ny orinasa iray eny Manakambahiny, omaly ma­raina, tokony ho tamin’ny 1 ora. Tra-tehaky ny polisy manao fisafoana teny amin’ny lalana Anjohy ho any amin’ny Rond-point Ambanidia, izy ireo. Nanosika moto ny iray ary nanao taingin-droa tamin’ny moto iray ny roa hafa. Nomena baiko hijanona izy ireo rehefa tonga teo akaikin’ny polisy. Nandositra avy hatrany anefa izy ireo, tamin’izany. Raikitra ny fifanenjehana ary voasambotra teo Amba­nidia ny iray, nanosika ilay kodiaran-droa. Tafapori­tsaka ny roa, saingy tratra omaly atoandro tetsy Mana­kambahiny ihany. Niaiky ny heloka nataony izy ireo, rehefa nohadihadian’ny polisy. Niray tsikombakomba tamin’ny mpiambina ilay orinasa izy ireo ka nahafahany nanao ny halatra, raha ny fanazavana voaray ihany.
Ankoatra izay, lehilahy iray hafa tratran’ny olona nangalatra moto tetsy Manakam­bahiny, omaly hariva. Noka­sain’ity farany hoentina sy hangalarina ny kodiaran-droa ana lehilahy iray nandefa vola teo amin’ny Cash point. Efa novelomin’ity farany ilay moto ary efa saika hoentiny. Naha­tsikaritra izany ny tompony ka nisambotra azy avy hatrany. Tezitra ny mponina teny amin’ ny manodidina ka nidaroka ity olon-dratsy. Efa nosamborin’ny polisy ity farany ary miatrika fanadihadiana.

Mino

Partager sur: