Maty nandritra ny fanatanterahana ny asany, manampy ireo traboina ao Toamasina, ny miaramila iray, omaly. Hitatitra vary omena ireo traboina amin’ny kaominina hafa ao an-toerana io miaramila io. Tra-doza tampoka tao amin’ny fokontany Ambonivato, kaominina ambanivohitra Antetezambaro. Nisasa maraina tamin’ny rano tao amin’ny tetezan’ Ambanivato izy kanjo niakatra tampoka ny rano, araka ny loharanom-baovao. Natelin’ny rano nandritra io fotoana io ity miaramila ity. Nifamonjena saingy vatana mangatsiaka sisa nakarin’ny fokonolona tao anaty rano. Tsiahivina, mitohy ny asa ataon’ny mpitandro filaminana ao Toamasina manoloana ny fisian’ireo traboina sy tsy manan-kialofana taorian’ny rivodoza Gezani. Miaramila, polisy, zandary izay samy niditra an-tsehatra amin’ny fanampiana ireo tokantrano rehetra lasibatra any an-toerana.
Sajo sy Tsiferana R.




