TSELATRA

Lehilahy roa mpamaky fasana, maty voatifitry ny zandary, ny alin’ny 26 febroary lasa teo. Iray hafa azo sambo-belona. Tratra teo am-pamakiana fasana iray tany Ambohibololona, kaominina ambanivohitra Tsiafahy, ny dimy lahy. Tonga teny an-toerana ny zandary ary raikitra ny fifanjevoana. Tafaporitsaka ny telo ambiny. Tratra teny amin’izy ireo ny taolam-paty vao avy nangalarina miisa 45, karandoha roa ary taolana majinika roa kilao.
Lehilahy miisa telo voasambotry ny zandary miasa ao amin’ny Zana-tobim-paritra Ambatofotsy, omaly maraina. Namono nahafaty raim-pianakaviana iray, ny alin’ny 22 hifoha 23 febroary 2026 lasa teo, tao Ambalabe, fokontany Soamanandray, kaominina Ambanivohitra Tsiafahy, izy ireo.

Partager sur: