Taorian’ny antso voim-pirenena nataon’ny fitondram-panjakana, betsaka ireo mpiray ombon’antoka sy firenena vahiny naneho fahavononana hanampy amin’ny fanarenana rehefa nitranga ny voina. Misy ny dingana tsy maintsy arahina mialoha ny famoahana vola sy izay voafaritry ny lalàna malagasy mifehy ny fitantanambolam-panjakana amin’ ny fampidirana izany anatin’ny kitapom-bolam-panjakana sy ny kaontin’ny BNGRC. […]
Mois : février 2026
Miaina anaty herisetra mangina ny vehivavy : Tsy salama, mihena ny vola miditra noho ny tsy fisitrahana rano
Naranty an-tsary, omaly, teny Antanimena, ny zavatra iainan’ny vehivavy momba ny fahasarotana misitraka rano madio amin’ny andavanandro. Nampahafantarina niaraka tamin’izay koa ny valin’ny fanadihadiana momba ny fisitrahana rano, indrindra ho an’ny vehivavy eto Antananarivo. Manaiky miaina ao anatin’ny tsy fisitrahana rano izy ireo noho ny zava-misy. Misy fiantraikany amin’ny asa […]
Badminton – Afrique 2026: Tsy namokatra ny Malagasy
Notontosaina tany Gaborone, Botswana, ny 9 hatramin’ny 12 febroary lasa teo, ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, taranja badminton, sokajy Senior. Nandray anjara teo amin’ny lehilahy i Madagasikara ka niray vondrona tamin’i Algerie sy i Zambie. Ratsy ny vokatra, satria tsy nivoaka vondrona ireo mpilalao niatrika izany. Teo amin’ny lalao voalohany, […]
Barean’i Madagasikara : Hilalao any amin’ny firenena eoropeanina sy afrikanina
Raha tsy misy ny fiovana farany, hiatrika lalao ara-pirahalahiana roa ny ekipam-pirenena Barean’i Madagasikara. Tafiditra amin’ny “Fenêtre Fifa” hatao ny volana marsa ho avy izao. Hiatrika lalao ara-pirahalahiana roa ny Barea, mandritra ny “Fenêtre Fifa” amin’ny volana marsa ho avy izao. Araka ny siosion-dresaka mandeha sy ny filazan’ny loharanom-baovao iray […]
Volley-« CAVB Zone 7 »: Ekipa 4 hihazo an’i Seychelles
Hotanterahina any Seychelles, ny 27 febroary hatramin’ny 7 marsa izao, ny fiadiana ny amboaran’ny klioba tompondaka, aty amin’ny faritra faha-7, eo anivon’ny CAVB, taranja volley-ball. Tsy ho diso anjara amin’izany i Madagasikara fa hanana solontena. Ahitana ekipa 4 (2 lahy sy 2 vavy) izy ireo. Ny GNVB, lahy sy vavy, […]




