Revy Mahaleo, nampiditra ny fankalazana ny faha-55 taona. Mazava loatra, feno ny efitranon’ny CCI Ivato, omaly. Mpijery amin’ny sokajin-taona rehetra, nahitana ireo raiamandreny mitovy amin-dry Dama sy Bekoto, ireo zokinjokiny, ireo mitovy taona amin’ny Mahaleo Taranaka ary ireo mbola zandry fa mpankafy ireo tonga nianoka ireo hira tsy tontan’ny ela. Tsapa ny vesatry ny taona ho azy mirahalahy Mahaleo, saingy efa vonona amin’ny tohin’ny tantara koa ireo taranaka. Ireo hira kosa toa miaina hatrany, tsy lefin’ny vanim-potoana…
« Tena kanto » . Efa nahalaza mialoha ny tolotra ny lohatenin’ny fampisehoan’i Poopy. Niteny indray ny traikefa sy ny laza an-taoanany maro, ary namaly sy nanaraka azy hatrany ireo mpankafy. Nahazo aina vao ireo hiran’i Poopy nosafidian’i Fy Reko, Ken, D Lain ary i Tanjona Randrianarivelo nataon’izy ireo tamin’ny fanaovana azy. Tsy ireo ihany, niampy an’i Tolotra sy Mahefa Kely ary i Eric Tahina ihany koa ireo mpanakanto nanaingo ny seho, ka vetivety ny nandehanan’ireo hira 40 nalahatra. Mbola voatazon’i Poopy ny lazany.
Tsara fanomboka ny andiam-pampisehoana etsy amin’ny Vip Zone Food Courts Barea. Ny tarika Rossy mantsy no nisantatra izany ny alin’ny zoma lasa teo. Niavaka kokoa no ho ny « cabaret » mahazatra, satria tena nahafeno ny fepetran’ny fampisehoana goavana izany. Hira nandrasan’ny mpankafy avokoa no nalahatry ny tarika Rossy, ary nahazo laka ny bapampa izay mampiavaka hatrany ny seho. Efa mandahatra ireo mpanakanto fanta-daza mahazaka ny toerana manaraka eo ry zareo mpikarakara.




