TSELATRA

Nosamborin’ny polisim-pirenena teny Ankaraobato ny lehilahy iray tratra nanodinkodina zaza tsy ampy taona, afakomaly. Tsy nody an-tranon-dray aman-dreny ny zazavavy 14 taona. Nametraka fitarainana teny amin’ny polisy ny fianakaviany satria misy mahita mihaodihaody teny amin’ny fokontany Ambohibahiny izy. Hita niaraka tamin’ny lehilahy iray teo amin’ny fiantsonan’ny taxi-be, ny marainan’ny 27 febroary tamin’ny 5 ora. Nenjehina ilay lehilahy ka tratra.

Namoy ny ainy, taorian’ny daroka bomba nataon’ny Amerikanina sy Israelianina, ny mpitondra farantampony ao Iran “Ali Khamenei”, araka ny fanambaran’ny fahitalavitra nasionaly Iranianina, omaly. Hisaona mandritra ny 40 andro ny firenena iranianina raha toa ka nanamafy ny hanohy hatrany ny daroka bomba mandrapaha-tonga ny faharesen’i Iran ny Israelianina sy ny Amerikanina.

Olona roa naratra ka tsy nahatsiaro tena ny iray nandritra ny lozam-pifamoivoizana niseho teny amin’ny kaominina Sabotsy Namehana, ny alin’ny zoma 27 febroary teo. Nitondra moto ny lehilahy iray. Nentina namonjy hopitaly ireo niharam-boina.

Karohina noho ny raharaha nahafaty ny sakaizany teny amin’ny kaominina Ambohimangakely ny lehilahy iray. Nidiran’ny olon-dratsy ny tranon’io sakaizany io, ny alin’ny 16 janoary ary maty vokatr’izany ilay vehivavy. Natory tao amin’ity farany anefa ny sakaizany saingy nandositra tamin’ny fotoan’ny loza ka antony mahavoasaringotra azy. Efa naiditra am-ponja ny mpiasa roa tao amin’ilay tanàna.

Partager sur: