Fialonana noho ny tsy nahazoany anjara lova, novelesin’ilay lehilahy tamin’ny angady, maty tsy tra-drano ny raibeny, tao amin’ny distrikan’Atsimondrano, afakomaly.
Mampanaotao foana ny fitiavan-karena diso tafahoatra! Lehilahy iray namono nahafaty ny raibeny rehefa tsy nahazo anjara lova tao amin’ny fokontany Ambohimiadana-Ambatofahavalo, distrikan’Atsimondrano, ny sabotsy 8 febroary teo. Niala ny trano fonenany io raim-pianakaviana efa nahazo taona io, izay voalaza fa nanana anton-dia manokana. Narahin’ilay zafikeliny moramora tao aoriana anefa izy rehefa nanomboka nivoaka ny tanàna. Nilanja angady io zafikeliny io, araka ny fanazavan’ny zandarimaria misahana ny fanadihadiana. Tsy nanampo na inona na inona, araka izany, ilay lahiantitra. Nodarohan’ilay zafikeliny tampoka tamin’ny angady. Nianjera tamin’ny tany ary nanamparany ny tanjany. Niezaka nanohitra io raibeny io saingy tsy nahavita namaly ilay zafikeliny. Tsy nionona tamin’ny daroka, norovitin’ilay zafikeliny ny sofin’ilay raim-pianakaviana. Naharay antso tamin’ny fokonolona ny fianakaviana taorian’io tranga io, noho ny fahitana ny vatana mangatsiakan’ilay lahiantitra efa nitsirara tamin’ny tany.
Nitolo-batana
Tapatapaka ny zaran’angady ary navelan’ilay zafikely nahavanon-doza teo anilan’ny raibeny ny lelan’io angady io, rehefa tonga nijery ny zava-nisy teny an-toerana ny mpitandro filaminana. Tsy nisy aina intsony ilay rangahy lehibe. Nitonon-tena teny anivon’ny zandarimaria ilay zafikely. Tsy fahazoan’ity farany ny anjarany taorian’ny namarotan’ilay raibeny ny fananany no voalaza fa nitarika ny hevi-dratsiny. Niroso tamin’ny fanaovana fanadihadiana ny zandarimaria miasa eo anivon’ny zana-tobim-paritra Ambatofahavalo. Atolotra fampanoavana aorian’izay io lehilahy namono olona io.
Tsiferana R.




