VAOVAO TAMBATRA

Mandray fepetra hentitra ny fanjakana rehefa misy ireny lazaina ho « kariera vaky », nefa tsy nisy fahazoan-dalana ireny. Tsy maintsy faritana ny faritra trandrahina (zone d’encadrement). Raisina an-tsoratra ny anaran’ireo mpitrandraka tsotra ary avondrona anaty fikambanana. Omena fahazoan-dalana ara-dalàna (Amea) ny fikambanana avy eo. Raha toerana efa misy fahazoan-dalana kosa, zo sy andraikitry ny tompony ny miaro azy.

Nisokatra nanomboka ny sabotsy teo ny lalana RR05 eny Ambohimanambola. Hahazo tombony amin’ity fahavitan’ny lalana ity ny mponina eny an-toerana sy ny any Masindray ary Ankadinandriana. Efa ela ny nanantenan’ny mpampiasa lalana ny nanamboarana azy, ary izao tanteraka izao.

Namangy sy nankahery ireo mpiasan’ny Lalamby, tratry ny lozam-pifamoivoizana an-dalamby tetsy amin’ny Sampana Vonjy taitra ny CHU JRA, ny 26 febroary teo, ny avy ao amin’ny minisiteran’ny Fitate­rana (MTM). Nitarika izany ny talen’ny Kabinetran’ny minisitera, Razafimamonjy Jinot sy ramatoa Sekretera jeneraly, Rakotomalala Dina Hariniry.

Partager sur: