Tari-dalana ho an’ny tantsambo ara-barotra sy hitondra ny fahaiza-manaony eto an-toerana ary hanandratra avo ny hasin’ny andraikitra sahaniny ny AOMMM.
Hanofana, hanampy ary hanohana ny fahaiza-manaon’ireo zandry. Hitazona ny kalitao sy ny lentan’ny tantsambo ara-barotra ary hitsinjo manokana ireo zoky efa nisotro ronono. Ireo no tanjona apetraky ny Fikambanan’ny manamboninahitra tantsambo ara-barotra eto Madagasikarana (AOMMM), nandritra ny fivoriambe voalohany nataony hampahafantarana ny rafitra, ny zoma teo, tetsy amin’ny Le Pavé Ampandrana. Nankatoavin’ireo mpikambana nandritra izany avokoa ny tetikasa iombanana, ny sata mifehy ny fikambanana ary ny fitsipika anatiny. Dingana lehibe ho an’ireo manamboninahitra tantsambo ara-barotra ny fananganana ny vovonana, noho izy maneho ny finiavana sy hitari-dalana ireo mpikambana ary hitondra avo ny voninahitry ny tantsambo ara-barotra eto Madagasikara. Kendrena hatrany ny haha matihanina ny rafitra mba hitondra rivo-baovao eto amin’ ny firenena. “Fitaratra sy mamiratra eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny tantsambo ara-barotra eto Madagasikara”, hoy ny filohan’ny fikambanana, Second capitaine de première classe, Manambala Adoré. Notsindriny manokana fa mahafantatra ny fahaiza-manaon’ny Malagasy ny any ivelany ary tanjona ny hizarana ny traikefa eto an-toerana. Hiara-miasa amin’ny fanjakana sy ny Agence portuaire maritime et fluviale (APMF), araka izany, ny vovonana hampandrosoana ny rafitry ny varotra an-dranomasina sy hanohanana ny tantsambo malagasy.
Manodidina ny 70 isa ankehitriny ireo mpikambana eo anivon’ny AOMMM.
Asa
Mizara roa mazava tsara ny asan’ny tantsambo ara-barotra. Misy ireo miantoka tanteraka ny fampandehanana ny sambo sy ny lafiny ara-teknika, misy kosa ireo miandraikitra ny raharaha ara-barotra, izany hoe, ireo mampiditra sy mamoaka ny entana. Efa misy ihany koa ny vehivavy miditra amin’ny asa saingy mbola vitsy an’isa izany, izay mbola 2% monja. “Mahasarika ny tanora ihany koa ny asa saingy tsy fantany ny zavatra miandry azy, ka antony hijoroan’ny fikambanana”, raha ny fanazavana hatrany. Araka izany, miara-miasa amin’ny École nationale maritime (ENM) ny fikambananana mba hitari-dalana ireo zandry vonona hisehatra ao anatin’ny tontolo misy ireto manamboninahitra ireto.
Henintsoa




