Hotanterahina ny 13 sy 14 marsa, ao amin’ny Orange Digital Center (ODC) Soarano, ny hetsika Espace jeune entrepreneur, Eje Shift andiany faha-14, karakarain’ny Club entrepreneur étudiant du Rendez-vous des entrepreneurs (CEERE). Hisongadina ny tanora sy ny fandraharahana ao anatin’ny niomerika. Tanjona ny hanohanana ity tafitra ity eto Madagasikara, araka ny vina apetraky ny CEERE izay mitondra ny feon’ ny tanora. Kendrena manokana ny hanamafisana ny rafitry ny fandraharahana eto an-toerana. Lohahevitra amin’ity taona ity ny hoe “génération numérique : entreprendre, innover et créer de la valeur à l’ère digitale”. Tsy afa-misaraka amin’ny niomerika isika, antony hanohanana ny fandraharahana maharitra amin’ny alalan’ny fampiasana ny teknolojia”, hoy ny filohan’ny CEERE, i Heritina Manantsoa. Mpandraharaha hatrany amin’ ny 600, noho izany, no andrasana mandritra ny roa andro hanaovana ny hetsika, hisy ihany koa atrikasa samihafa iarahana amin’ireo manam-pahaizana manokana, fifaninanana Pitch ka hisafidianana ireo tetikasa 5 mendrika indrindra ary hetsika maro samihafa. Ankoatra izay, tetezana hampifandray ny tanora manana tetikasa sy ireo orinasa lehibe eto amintsika ny Eje Shift 2026 ka hanamora ny fiaraha-miasan’ny roa tonta, raha ny fanazavana hatrany. Noho izany, ambohipihaon’ireo tanora, startups, mpandraharaha vao misandratra vonona hanangana sy hampandroso ary hitondra ainga vao ho an’ny fandraharahana maharitra ny hetsika.
Henintsoa




