Fandrobana 15 tapitrisa Ariary: Jiolahy voatifitra, zandary roa naratra

Voatafika ny tokantrano iray teny tsiafahy, afakomaly alina. Voaroba ny vola 15 tapitrisa Ariary. Tonga teny an-toerana ny zandary, raikitra ny fifampitifirana. Vokany, naratra ny roa tamin’ireto farany, nipitihan’ny taim-bala. Voasambotra ny olon-dratsy iray.

Raikitra ny fifampitifirana teo amin’ny jiolahy sy ny zandary teny Tsia­fahy, tamin’ny alahady alina. Vokany, voa teo amin’ny lohany ny olon-dratsy iray, azo sambo-belona. Voan’ny bala teo amin’ny tarehiny izy. Mbola nanampy trotraka ny ratra nahazo azy ny fianjerana tanaty lavaka, rehefa nikasa ny hitsoaka. Naratra nipitihan’ny taim-bala kosa ny zandary roa lahy, izay tsy misy ahina ny fahasalamany.
Marihina fa nisy andian-jiolahy nanafika ny tokantrano iray tao amin’ny fokon­tanin’­ Ankorondrano, eny Tsiafahy Ambatofotsy. Tsy nisy nisaron-tava ny olon-dratsy izay niditra an-keriny niaraka tamin’ny fitaovam-piadiana tao amin’ny tokantrano lasibatra. “Miisa sivy lahy ireo mpandroba tonga tao amin’io tokantrano io”, hoy ny loharanom-baovao eo anivon’ny zandarimaria miasa ao amin’ny zana-tobim-paritra Ambatofotsy. “Novakin’ny mpanao ratsy ny varavarana. Nanao mora ny fidirany tao anatin’ilay efitrano. Nandroba lelavola 15 tapitrisa Ar izy ireo. Mbola lasan-dry zalahy koa ny firavaka volamena toy ny peratra, niampy ny finday roa. Nanao tari-dositra izy ireo taorian’izany. Nam­pandre ara-potoana ny mpitandro filaminana ny olona lasibatra”, hoy hatrany ny zandary.
Nifampitifitra

Nifandona nandritra ny fanarahan-dia nataon’ny zandary tao amin’ny tanànan’­ Ambohikely ny efa-dahy tamin’ireo mpandroba. Nanapoaka basy avy hatrany ireo olon-dratsy vantany nahatazana ny mpitandro filaminana. Raikitra ny fifandonana, voan’ny bala teo amin’ny tavany ny iray tamin’ireo efa-dahy. “Bala patraka avokoa no nahavoa ireo zandary teo amin’ny sandriny sy ny feny”, araka ny loharanom-baovao. Efa nahazo fitsaboana izy roa lahy ireo ary tsy atahorana ny ratra nahazo azy. Azo sambo-belona kosa ilay jiolahy voatifitra. Nentina notsaboina ary atao famotorana ity farany. Mitohy ny fikarohana ireo jiolahy hafa izay nitondra ny volabe nandositra.

Tsiferana R.

Partager sur: