MVola : 52 500 ny hazo voavoly tato anatin’ny 6 taona

Manamafy ny finiavany ara-tontolo iainana ny orinasa MVola. Manana fandahara­nasa natokana ho an’ny fambolen-kazo izy, ary nahazoany ny mari-pahalalana B Corp, nanomboka ny taona 2022 izany. Miara-miasa amin’ny orinasa Altera, ao anatin’ny vondrona Axian, ny MVola, amin’ny fa­merenana amin’ny laoniny ny ala sy ny fikajiana ny tontolo mananaina eto Ma­dagasikara, iarahana amin’
ny vondron’ny fiarahamonina eny ifotony. Lohahevitra noraisina ny hoe « Mamboly hazo ankehitriny, hiarovana ny ampitso ».
Mitotaly 52 500 ny hazo nambolen’ny MVola, tato anatin’ny 5 taona. Miisa 2 500 ta­min’ny taona 2022, tamina velaran-tany 2 ha. Niakatra ho 5 000 tamin’ny 2023, tamina velaran-tany 4,6 ha. Nitombo ho 15 000 tamin’ny taona 2024, tamina velaran-tany 13,6 ha. Ary 15 000 ihany koa tamin’ny taona 2025 tamina velaran-tany 13,6 ha.
Niampy 15 000 ihany koa ho an’ity taona 2026 ity, amina velaran-tany 13,6 ha fanam­piny. Tombanana ho 2 468 tao­nina ny entona karbona CO2 ho voaangona ato anatin’ny 10 taona. Fiaraha-miasan’ny vondrona Axian sy ny mpianatry ny kilasy CM2 eny ifotony.
Tanjona napetraka amin’ny taona 2030 ny hanatrarana zana-kazo voavoly miisa 120 000.
Mahatratra 150 ny mpiara-miasa amin’ity orinasa ity, ia­rahana amin’ny fianakaviana aman-jatony. Arahi-maso isan-taona, kojakojaina, soloina ny zana-kazo maty, arovana ny nofon-tany sy ny toerana am­bolen-kazo.

Njaka A.

Partager sur: