Tafakatra tampoka ho 78,54 dolara ny vidin’ ny solika 1 barila (= 219 litatra), eo amin’ny tsena iraisam-pirenena Brent, omaly 2 marsa. Noho ny adin’i Iran sy ny israely ary Etazonia no antony. Nahatratra 68 dolara ny vidiny ny 16 febroary, nisondrotra ho 72 dolara ny 1 marsa, ary izao nidangana tampoka izao.
Tsy mbola nisy ny fahazoan-dalana hitrandraka volamena any Betsiaka Ambilobe, navoakan’ ny fitondram-panjakana, ankehitriny. Tsy maintsy mandalo ny dingana antso hitrandraka « appel à concourir » kosa ho an’ny harena an-kibon’ny tany hafa. Hisy ny lamina handrindrana ireo mpitrandraka madinika, ahafahan’izy ireo misitraka ny tombontsoa. Tsy ho diso anjara koa ny kaominina sy ny faritra voakasika, hahazo tamberim-bidy.
Hisy tetikasa vaovao hatao amin’ity taona 2026 ity hanarenana ny lalana mankany Tanambao Manampotsy. Lalana roa no ahafahana mankany, avy any Moramanga mandalo Anosibe An’Ala sy avy any Vatomandry mihazo an’Ilaka-Est. Samy tena simba sy ratsy avokoa ireo, indrindra vokatry ny rivodoza Gezani farany teo. Hamboarina koa ny lalana ao an-tampon-tanànan’i Tanambao Manampotsy.




