Fahavitantena ara-tsakafo : Manohana ireo Ivontoeram-pikarohana eto an-toerana ny CGIAR

Nidina tany Antsirabe ireo delegasionina ao amin’ny Ivontoeram-pikarohana iraisam-pirenena CGIAR, ahitana ny Africa Rice, ny Ilri, ny CIP, ny Icrisat ary ny IITA. Nojerena ifotony ny fiaraha-miasa amin’ny eto an-toerana toy ny Fofifa, ny Fifamanor, ny CFAMMA, ny SOC ary ny Imvavet.

Nofantarina ny olan’ny fotodrafitrasa, ny mpikaroka tsy ampy isa sady misy ny mandeha mi­sotro ronono, ny tsy faham­pi­an’ny fitaovana sy ny tetibola. Nohamafisin’ny sekretera je­neralin’ny minisiteran’ny
Fam­bolena sy ny fiompiana (Minae), Randriambololona Lambotiana Fabien, fa « tsy maintsy ho dinihin’ny fitondrana, ankehitriny, ny fomba hampidirana tanora mpikaroka, handimby ireo lasa nisotro ronono».
Maro ny voka-pikarohana efa nivoaka, toy ny nahitana ny karazam-bary Fofifa 198, fiaraha-miasan’ny Africa Rice sy ny Fofifa, nankatoavin’ny SOC. Tian’ny tantsaha tokoa satria mahazaka tondradrano sy ha­tsiaka sady tsara ny vo­katra avy aminy. Nihatsara ny fari-piainan-dRabritonirina Théo, mpamboly any Tsivatri­ni­kamo, manana tanimbary 3 ha, satria nitombo ny vola niditra, nahavitany trano. Notso­rin’ny tale je­neralin’ny Africa Rice, ny Dr Baboucarr Manneh, fa «izay no tena tanjona, ny hitomboan’ny fidiram-bolan’ny tantsaha, hahavitan-tenan’i Ma­dagasika­ra ara-tsakafo».

Vala tahaka lehibe
Notsidihina ny laboratoaran’ny Fofifa, ny famokaran’ny Fifamanor ny Azota ary ny la­boratoaran’ny CIP, famokarana masomboly ovy sy vo­man­ga vaovao. Nanaitra ny rehetra ny fitsidihana ny vala tahaka lehibe (parc d’innovation), ahitana ny voka-pikarohan’ny CGIAR sy ny ivontoeram-pikarohana eto an-toerana. «An­go­­nina ato ny teknolojia hita maneran-tany, ijerena izay azo hampiharina eto Ma­da­ga­sikara. Toerana anandramana sy ampiharana ny voka-pikarohana sady fanofanana ny tantsaha sy fanodinam-bokatra», hoy i Serge Merisson, avy amin’ny IITA Madagasi­kara. Nandramana ny karazan-tsakafo sy zava-pisotro vita amin’ ny mangahazo, ny vary gasy me­na sy fotsy, ny ravitoto ary mofomamy vita amin’ny sorgho.
Nilaza i Pieter Wauters, avy amin’ny CIP, fa ampianarina hanodina ny ovy ihany koa ny tantsaha. Namaranana ny fotoana ny nanasoniavana ny fiaraha-miasa eo amin’ny CIP sy ny Fifamanor.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: