Fampianarana – Kolontsaina : Mila ovaina ifotony ny taranja malagasy sy tantara

Iray amin’ireo seha-panabeazana mitana anjara toerana lehibe eo amin’ny hoavin’ny tsirairay sy ny firenena manontolo ny fampianarana. Taranja maro no ianarana any an-tsekoly. Hatramin’ izao, mbola tsy tena hita soritra mi­vaingana ny fiantraikan’ny fa­haizana an-taratasy ireny ta­ranja ireny, raha ho an’ny zaza sy ny ankizy ary ny tanora malagasy sy ho an’i Mada­gasikara. Ambilombaza­na ny tombony hita sy azo.
Mila hovaina hatrany ifotony ny sasany amin’ireny ta­ranja ireny. Anisan’izany ny Malagasy sy ny tantara. Sady tsy ampy ny tena manan-danja no manatombo amin-javatra tsy misy fotony ny fa­haizana sy ny fahalalana ampitaina amin’ireo taranja roa ireo. Any amin’ny ambaratonga fototra, averina ny fitantarana angano. Miakatra eo amin’ny ambaratonga faharoa, famelomana indray ny ankifidy sy ny ankamantatra, fomba amam-panao… Tohi­zina hatrany amin’ny ambaratonga ambony amin’ny fanatevenana ny hasin’ny fiarahamonina malagasy, sns. Taha­ka izany ihany koa ny taranja tantara. Mila omena lanja ny tantaran’i Madagasikara sy ny Malagasy.
Mila hidirana lalina sy amin’ ny antsipirihany ny fanovana ifotony tahaka ireo mba ho fantatry ny Malagasy sy ny taranany fa manana ny sahaza azy izy. Noho izany, tsy voatery min­drana, na manaiky lesoka hatrany manoloana ny hafa.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: