Fampivelarana ny kanto: Hitombo ireo mpampianatra valiha

Fantatra ny faran’ny herinandro teo fa mpianatra valiha 7 mianadahy no handray ny laharan’ny mpampianatra. Nianatra nandritra ny telo taona izy ireo. Ny roa taona nandalinana taranja fototra (solfezy, tantara, valiha sy ny fitendrena azy, fomba sy ny fifamatorany amin’ny valiha…). Ny taona fahatelo, nandalina sy nikaroka. Voka-pikarohana mafonja no notakiana tamin’ireto mpampianatra ireto mba ahafahan’ity zavamaneno malagasy ity sy ny mpitendry azy hanana fahalalana sy fivelarana bebe kokoa hatrany.
Marihina fa vokatry ny fiaraha-miasa eo amin’ny foibe fikarohana sy fampianarana zavamaneno «Valiha Acadé­mie» izay eo ambany fiahian’ny Zanabaliha sy ny Valihan’ Ikaky no nahatontosana io fanofanana sy fampianarana ho tonga mpampianatra io.
Afaka mirotsaka avy hatrany eo amin’ny tontolon’ny fampianarana izy ireo. Anisan’ny laharam-pahamehana ho an-dry zareo ny hampiditra ny fampianarana valiha any amin’ireo sekoly izay mangetaheta izany. Mbola mety tsy ho tratra ny any amin’ny faritra fa ny eto Antananarivo sy ny manodidina no hiaingana, raha ny nambaran’ireto mpampianatra valiha 7 mianadahy ireto.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: